Lozam-pifamoivoizana tao Mahaziny RN2: Natao batemy dia taitra i Fifaliana kely

  • dimanche, 03 septembre 2017 12:15
  • Britto
  • Sary Sobika Fianarantsoa

Tsy nahatsiaro tena intsony i Fifaliana, zazalahy kely 6 taona voadonan'ny fiara mpitatitra iray avy any Toamasina omaly sabotsy tolakandro.

Nipitika teo amin'ny 7 metatra miala ny fiara i Fifaliana kely ary efa tsy nikipy intsony ny masony.

Tsy nahavonjy aina azy fa avy dia nitomany ireo manodidina mbola tao anatin'ny fahatairana tamin'izy niampita tampoka sy niharan-doza.

Fa indro renim-pianakaviana iray no nivoaka ny fiara taxi-brousse niaraka tamin'ity nandona ny zaza ka nanantona ary nanao batemy azy am-pinoana.

Niverina tsikelikely tao anatin'ny dimy minitra ny ain'i Fifaliana ka nentina teny amin'ny CSBII Anjiro avy hatrany ny tenany mba handray ny fitsaboana vonjy maika.

"Nanao izay azoko natao amin'ny maha olontsotra ahy ny tenako " hoy ilay renim-pianakaviana namonjy an'i Fifaliana.

"Fahagagana tanteraka izany" hoy ny nanatri-maso. Ny zava-misy dia isehoana lozam-pifamoivoizana matetika io lalana mahitsy amin’ny lalam-pirenena nitrangan'ny voina io ka mila fandraisana fepetra mba tsy iverenan'izany intsony.

Fantatra tao anatin'ny fanadihadiana fa tsingeritaonan'i Fifaliana kely io andro nisehoan'ny loza io. Fahasoavana lehibe ho azy ny famonjena ny ainy, anatra ho an'ny rehetra kosa ny zava-niseho.

 

Commentaires (9)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa