Nosy Maurice: Malagasy voadonan'ny fiara, maty tsy tra-drano

  • mardi, 29 août 2017 22:38
  • Tigre
  • Sary nomena

Renim-pianakavina iray, teratany malagasy no maty tsy tra-drano, voadonan'ny fiara omaly alatsinainy 28 aogositra taty Maurice.

33 taona, mananjanaka 02 vavy i Ramanandafy Diana, efa niasa tamin'ny zone franche taty Maurice nandritra 06 taona ary tsy mbola nody mihitsy.

Mipetraka ao Ambodin'Isotry izy ao Madagasikara, mbola aty Maurice ny razana ary manjavozavo ny fandraisana andraikitr'ilay olona tompon'ny fiara nandona azy.

Rahampitso alarobia alina no ho tonga any Madagasikara ny Razana.

Fantatra moa fa notazonin'ny Polisy aty Maurice ilay fiara sy ilay nitondra azy, rahampitso no hiakatra fitsarana izy.

Ny orin'asa niasany no re fa hanampy ireo zanany vavy roa.
Misy disadisa anefa eo amin'ny fianakaviana, satria efa nisarabady i Diana, ka ny rahavaviny no nikarakara ireto zanany 02 nandritra ny 06 taona tsy nahateo azy fa i rangahy tsy hita tabilao, nefa ankehitriny, mitaky ny ahazo ny dommages et intérêts amin'izao fahavoazana izao ingahy tsy hita tabilao.

Tezitra ny fianakaviana, satria ny Razana aza mbola tsy tonga any Madagasikara, nefa ny anao lahy hikasa ny vola mbola tsy hita akory. Nahavatra niantso ny orin'asa niasan'i Diana mihitsy aza moa ity vadiny teo aloha ity mitaky ny vola mba omena azy.

 

Commentaire (1)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa