Antsirabe: Ravan’ny Polisy ny tambazotra mpisoloky gaigilahy

  • mardi, 29 août 2017 09:52
  • Britto
  • Sary Sobika Antsirabe

Efatra mianadahy izy ireo no sarona niaraka tamin’ireo fitaovana fampiasan’izy ireo hanaovana asa ratsy. Nahitana atontan-taratasy fandrafetana tetikasa marobe ihany koa tany amin’izy ireo.

Nambaran’ny kaomisera divizionera Ramilison Celestin fa tambazotran-jiolahy matanjaka ireto sarona ireto. Fanomezan-baovao tamin’ny olontsotra iray, nisandohan’izy ireo ho Zandary no niaingan’ny fikarohana azy ireo ary dia izao tratra izao.

Natolotra ny Fampanoavana teto amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Antsirabe ny alatsinainy 28 aogositra izy ireo, ary notanana amponja vonjimaika avy hatrany.

 

Commentaires (62)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa