Mahajanga: Mitombo isa ireo mpianatra manao sport scolaire national mihetsika ambalavelona

  • mardi, 22 août 2017 21:43
  • Britto
  • Sary Sobika Mahajanga

Tafakatra 16 mirahavavy hatreto ireo mpianatra tratran'ny ambalavelona aty Mahajanga, mpianatra mandray anjara amin'ny fifaninana nasionalin'ny fanatanjahantena an-tsekoly avy amin'ny DREN Vakinakaratra.

Omaly hariva raha avy nanao hand-ball tao amin'ny Complexe sportif Ampisikina ireto mpianatra ireto no nitsipatsipaka raha vao tonga tany amin'ny toerana nitobiany tao amin'ny lisea Philibert Tsiranana, iny avy nisakafo hariva iny.

Teny ambony kianja moa, nandritra ny lalao nifanandrinany tamin'ny mpianatra avy any amin'ny faritra Sofia no efa hita fa tsy nahazo Aina ireo mpianatra. Sivy vavy no voa voalohany.

Avy hatrany moa dia nentina teny amin'ny Fiangonana Loterana Tsaramandroso ireo mpianatra rehetra mpiray efitra tamin'izy ireo nivavahana sy nalana devoly.

Maro moa no manontany ny tena anton'ity tranga ity, ary ilaina tokoa ny fanazavana avy amin'ireo Dokotera mpitsabo sy ny ministeran'ny Fahasalamana satria dia maro loatra ny tranga toy izao, nefa tsy misy fanazavana voaray.

 

Commentaires (8)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa