Fihaonambe nasionaly STK: Mpizaika 8000 no tonga eto Mahajanga

  • mercredi, 02 août 2017 10:09
  • Britto
  • Sary Sobika Mahajanga

Omaly no nosokafana tamin'ny fomba ofisialy ny zaikabe nasionalin'ny Sampana Tanora Kristianina aty Mahajanga.

Fanompoam-pivavahana lehibe no nentina nanokafana izany ny 01 aogisitra 2017. Somary tara ny fanombohana noho ny fivoriana vonjy maika mbola nataon'ireo lohandohan'ny mpisorona mahakasika ny lozam-pifamoivoizana mahatsiravina nahazo ireo mpizaika tany Ankazobe.

"Sampana Tanora Kristianina mitia an'Andriamanitra" no lohahevitry ny zaikabe, nosintonina tao amin'ny Deotoronomia 6: 5.

Tomefy olona tanteraka ny FJKM Ziona vaovao Mahajanga, toerana nanaovana ny fanokafana, satria 8000 isa ireo mpizaika tonga aty an-toerana.

Eny amin'ny complexe sportive Ampisikina kosa no hanaovana ireo hetsika mandritra ny 5andro. Fampianarana sy fifaninana Soratra Masina, lalao ara-panatanjahan-tena, fifaninanan-kira masina sy fampisehoana ireo kolontsainan'ny faritra samihafa manerana ny nosy.

Antony tena hanaovana ny zaikabe toy izao ny mba ho fihaonan'ny tanora Kristianina rehetra satria tsy ho vitan'ny birao foibe no hitsidika sy hitety ireo fitandremana manerana an'i Madagasikara. Tena ilaina anefa ny fitaizana ny tanora araka ny sitrapon'Andriamanitra.

 

Commentaires (43)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.