Ankazobe: Lozam-piarakodia nahafatesana olona maro

  • mardi, 01 août 2017 20:59
  • Tigre
  • Sary Njaka

Olona 24 no maty may kila noho ny famaizan’ilay fiara mpitatitra teny Ankazobe hiazo an’i Mahajanga ary maherin’ny 40 no naratra mafy vokatr’izany.

Tsy tafiditra ny vitesse ka nihemotra ny fiara, ka nivarina tany anaty hantsana, nirehitra ny fiara ka maro ireo may tsy tafavoaka.

Efa tonga eny amin’ny HJRA ny razana izay efa lavenona avokoa, mbola miandry eny araka izany ireo fianakavian’ireo niaram-boina.

Fiarabe nisy rihina nitondra ireo tanora maherin'ny 100 moa ity fiara niaram-boina ity.

 

Commentaires (38)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.