Mahajanga Fitaterana: Misy ny lamina manokana napetraka

  • mardi, 01 août 2017 08:08
  • Britto
  • Sary Sobika Mahajanga

Misy ny lamina manokana napetraka aty Mahajanga mahakasika ny fitaterana amin'izao fotoanan'ny fialantsasatra izao. Antony, ho fisorohana ny loza sy ho fandrindrana ny fitaterana.

Maro ihany koa ireo hetsika tontosaina aty an-toerana na ara-pinoana izany na ara-kolontsaina na ara-panatanjahantena sy ny maro hafa. An'aliny ireo vahiny efa tonga aty an-toerana.

Ho an'ny fitaterana amin'ny lalam-pirenena faha-4 dia tsy maintsy manao caravane ireo fiara rehetra ary arahina mpitandro ny filaminana hatrany.

Ankoatra ireo toerana fijanonana mahazatra, tokony hiato hiala sasatra isaky ny adin'ny telo na adinin'ny efatra ireo mpamily mba hisorohana ny harerahana diso tafahoatra mety hitera-doza. Vao nametrahana jiro vaovao ihany koa eny amin'ny toeram-pahatongavana eny amin'ny tobim-piantsonana nasionaly Aranta hanampy amin'ny fanazavana eny an-toerana hanamorana ny fanaraha-maso.

Ho an'ny fitaterana eto amin'ny renivohitry ny faritra Boeny kosa dia tsy maintsy maka fahazoan-dalana manokana avy amin'ny Kaominina ireo fiara rehetra hivezivezy ankoatra ireo zotra efa miasa aty an-toerana mpitatitra amin'ny toerana voafaritra iasan'izy ireo. 10 000 Ariary isaky ny fiara ny saran'io fahazoandalana io.

Any amin'ny ATT amin'ireo faritra iaingany kosa no maka fahazoan-dalana ho azy, ireo fiara avy any amin'ny faritra hafa hihazo an'i Mahajanga ka miovaova araka ny fetr'andro hivahinianana aty an-toerana sy ny isan'ny toerana ny vola efaina.

Manentana ireo olona izay liana sy hihazo an'i Mahajanga ihany koa ny talem-paritry ny ATT eto Boeny, Rahaingo Rafanomezantiana Toky, mba hitsidika ny vondrona "info route RN6- RN4" ao amin'ny tambazotran-tserasera facebook.

Manana ny fepetra raisiny ihany koa ireo tompon' andraikitra misahana ny ranomasina tarihin'ny APMF sy ny Brigade Port. Mbola nanamafy hatrany ny talen'ny APMF aty Mahajanga fa tsy azo ilomanosana eny amin'ny Village Touristique.

Maro kosa ireo torampasika azo isafidianana ankoatra io toy ny eny amin'ny Petite Plage sy ny Grands Pavois.

Tsara kosa anefa ny mahafantatra ny toetry ny ranomasina mialohan'ny hiampita na hilomano. Efa namoaka calendrier misy ny horaire de marée izy ireo ary azon'ny rehetra jerena izany satria efa nohezahin'izy ireo naparitaka.

Tsy azo tsinotsinoavina ihany koa ny torohevitr'ireo tompontanana amin'ny fady sy ny zavatra tsy tokony ho atao eny amin'ny ranomasina.

Mahakasika ny fiampitana eny Katsepy kosa, miasa avokoa ny baka Boeny sy ny baka Madaba ary tsy mbola niova ny sarany. Efa misy ihany koa ireo mpanara-maso avy amin'ny APMF manampy ireo Zandary mialoha ny fiaingan'ireo baka sy lakana eny Katsepy sy aty Mahajanga.

 

Commentaires (38)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.