Mahamasina : Hohidian’ny Emmo-Reg ny Kianja Monisipaly

  • jeudi, 06 juillet 2017 13:43
  • Britto
  • Sary Njaka

Tsy hisy fety ao Mahamasina ny sabotsy 8 jolay 2017. Hentitra ny Emmo-Reg nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety nataony tetsy Ankadilalana-Antananarivo io atoandro io nilaza fa ho feno miaramila ny tanàna ary hohidiana ny kianjaben’i Mahamasina, kasain’ny antoko Tiako I Madagasikara hankalazana ny faha-15 taona niorenany.

Manentana ny rehetra mba hitandrina ny Emmo-Reg, fa hisy fepetra horaisina ary henjehina izay migrevy.

Ho an’ny rahampitso indray izay hetsika ataon’ny eo anivon’ny MLE dia ho hita eo raha diabe ampahanginana tokoa no ataon’izy ireo, hoy ihany ny lehiben’ny Zandarimaria, raha toa moa ka ny mifanohitra ny amin’izany dia tsy maintsy ho ravaina ny hetsika.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa