Andry Ratovo: Tolotanana ho an'ny mpanao gazety mila fitsaboana

  • mercredi, 17 mai 2017 12:34
  • Tigre
  • Sary Njaka

Natao omaly tetsy amin’ny Tahala Rarihasina, ny tolo-tanana ho an’i Andry RATOVO izay mpanao gazety. Mila fitsaboana any ivelany izy ary antapitrisany maro ny sarany.

Tonga nanatanteraka izany moa ireo namana mpanao gazety, ary teo ihany koa ny avy ao amin’ny MLE, sy ireo avy ao amin’ny Ministera izay notarihin’i Minisitry ny serasera Harry Laurent RAHAJASON, teo ihany koa ny Minisitry ny fampianarana amin’ny ambaratonga fototra Paul RABARY.

Mangataka amin’ny Ministeran’ny fahasalamana araka izany moa ny avy amin’ireto fianakavian’i Andry RATOVO ireto ny mba hanaovana dialyse amin’ny hopitalim-panjakana.

Ny dialyse iray dia efa 500 000 ariary (2 500 000 fmg), nefa mila atao indroa isan-kerin'andro anadiovana ny rany.

Marihina moa fa dia misy ny Operation Chocolat izay karakarain’ireo fianakaviana mandritry izao tolotanana izao.

Ho an’ireo izay malala-tanana araka izany dia afaka manome izay vitany amin’ny alalan’ny Airtel Money 033 85 368 78 na ny Mvola 034 31 005 63

Dia mankasitraka ho an’ireo rehetra izay nanantanteraka izany adidy izany ireo fianakaviana ary manantena ny fihentananan'ny rehetra.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa