Fianarantsoa : Nahitàna basy mahery vaika vaovao teny amin'ny dahalo lavon'ny mpitandro filaminana

  • mercredi, 10 mai 2017 22:30
  • Britto
  • Sary Sobika Fianarantsoa

Basy tsy mbola fahita toy ny mahazatra izy ireo. Nalefa mivantana any amin'ny fiadidiana ny Zandarimaria foibe mba hanaovana fanadihadiana.

Ireo fitaovam-piadiana hafa vokatry ny fifandonana tamin'ny dahalo, sy nazahoana vaovao tamin'ny olontsotra ary tamin'ny fisavana kosa no nanaovan'ny tompon'andraikitra tatitra omaly 9 mey.

50 mahery no basimborona tra-tehaka tamin'ny taona 2016.

Ho an'ny tapany voalohan'ny taona 2017 ity kosa dia 10 no basy “fusil de chasse” saron'ny mpitandro filaminana, kalaky 2, basy poleta 2, rongony 11 lasaka, toaka gasy, paraky ary lavanilina.

Tratra tany amin'ny vondron-tobiparitra 3 ireo vokatra ireo dia i Ambositra izany, Ambohimahasoa ary Ihorombe.

Fantatra teto fa mbola misy basy mahery vaika vaovao tanteraka, 10 mahery mivezivezy eny anivon'ny fiaraha-monina eny ambanivohitra eny amin'izao fotoana izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa