Mahajanga: Fankalazana ny 8 mey, andro maneran-tany ho an' ny Vokovoko Mena

  • mardi, 09 mai 2017 16:18
  • Britto
  • Sary Sobika Mahajanga

Hetsika maro no nanamarihana ny andro maneran-tany ho an'ny Vokovoko Mena izay ankalazaina isaky ny 8 mey. Raha ny teto Mahajanga renivohitry ny Faritra Boeny dia fametrahana fehezam-boninkazo teo amin'ny tsangambaton'i Henry Dunant izay filoha mpanorina ny fikambanana no nanokafana ny lanonana.

Tsy ny famonjena voina sy ny fanomezan-dra, izay tena nahafantaran'ny maro azy ihany ny andraikitra sahanin'ny Croix Rouge Malagasy ato anatin'ny faritra Boeny fa mandray anjara amin'ny fanabeazana sy ny fahasalaman'ny tanora ihany koa izy ireo.

Tamin'ny taon-dasa ohatra, nampiditra rano fisotro madio tao amin'ny faritra fametrahana ireo zaza tsy ampy taona voatazona ao amin'ny fonjaben'i Marofoto ny Croix Rouge Malagasy.

Omaly 8 mey kosa, nisy ny fitiliana maimaimpoana, fandraisana ireo vehivavy hitily ny homamiadan'ny nono sy ny vozon'ny tranon-jaza. Teo ihany koa ny fizarana fanampiana ho an' ireo olona sahirana sy beazina ao amin'ny Croix Rouge eto Mahajanga.

Mahatratra 14.300 ireo mpilatsaka an-tsitrapo manerana ny Nosy ankehitriny.
Faritra 12 no efa misy ny sampana izay mitsinjara ho amin'ny Distrika miisa 120.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa