Antsirabe : Nitrangana haintrano goavana

  • dimanche, 16 avril 2017 18:48
  • Britto
  • Sary Sobika Antsirabe

Nijoalajoala indray ny afo teto Antsirabe ny tolakandron'ny Sabotsy masina, tokony ho tamin’ny 3 ora. Niainga tao amin’ny trano hazo nitoeran’ireo mpivarotra akondro, teo ampitan’ny fiangonana Advantista-Mahazoarivo Avaratra ny afo raha ny fahitan'ny olona azy.

Noho ny hafanan’ny andro dia haingana dia haingana ny fiitaran’ny afo ary niampitapita tamin’ireo trano nanodidina.

Raha ny tombana dia trano tsy latsaky ny 20 teo no kila forehitra tsy nisy noraisina ka ankoatry ny trano nitoeran’ny olona dia toeram-pivarotana ihany koa ny ankamaroany.

Niezaka niantso ny tompon’andraikitry ny Tanàna sy ny orinasa Cotona ny mponina saingy teo amboalohany dia nilaza ho avy ilay fiara mpamonjy voina saingy nolazaina fa simba indray nony avy eo ka tsy tonga.

Niezaka nanelanelana moa ny Ben’ny Tanàna fa tsy afa-nanoatra.

Ankoatra izay dia tsikaritra fa tsy hita intsony ilay firaisankinan’ny Malagasy satria dia ny nitazana no betsaka noho ny namonjy.

Vokany, an-tapitrisany maro no fahavoazana, izay ho tanterina eto ihany ny akony.

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa