Korea Avaratra: Mampiseho vangy

  • samedi, 15 avril 2017 15:20
  • Tigre
  • Sary Ouest-france

Efa ho herinandro izao ny Filoha amerikanina Donald Trump no efa nandrahona an'ny Korea Avaratra mba tsy hamokatra sy hanao fanandramana fiadiana nokleary.

Tsy vitan'ny fandrahonana fotsiny anefa no nataon'ny Amerikanina fa dia nandefa sambo mpiady manakaiky an'ny Korea Avaratra mihitsy.

Nilaza anefa ny fitondrana Koreanina Avaratra, fa raha mila ady faran'izay lehibe ny Amerikanina dia vonona amin'izany i Korea.

Androany, ho fankalazana ny faha 105 taona nahaterahan'i Kim Il-sung, dia nanao hetsika ara-miaramila na défilé lehibe tokoa i Korea. Nasehony teo avokoa ireo fitaovam-piadiana nokleary sy mahery vaika, anehoana amin'izao tontolo izao fa tsy misy atahorany amin'izay mety hanafika azy.

Ny Filoha koreana, 34 taona, Kim Jong-Un, zafikelin'i Kim Il-sung moa dia manohy hatrany ny fanamboarana baomba nokleary.

Ny Sinoa dia miditra manelanelana mba tsy hisian'ny ady eo amin'ny Korea Avaratra sy Amerika.

 

Commentaire (1)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa