Gadra nitsoaka tao Ambalatavoahangy : Taraiky i Prospère natao tohatra fiakarana

  • lundi, 13 mars 2017 19:43
  • Britto
  • Sary Sobika Toamasina

Nitondra fanazavana ny lehiben’ny fonja eto Toamasina Ralay Christian .

Omaly alahady tolakandro no nisy voafonja telo tafaporitsaka tao Ambalatavoahangy. Jiolahy diso fantatra amin’ny fanaovana fanafihana mitam-piadiana izy ireo, ary mifankahalala tsara sady iray fiaviana avy any Ambovombe Androy avokoa raha ny fanazavan’ny lehiben’ny fonja.

Natao tohatra fiakarana ny iray tamin’izy telo lahy, dia i Rasamimanana Prospère, 27 taona. Ny roalahy kosa, dia i Maka Tsimileso na Jaovelo, 27 taona, sy Faliantsoa Jean Baptiste, 25 taona, no nihanika ny tamboho voalohany ary tafavoaka soa aman-tsara teny ivelan’ny fonja.

Raikitra ny fifanenjehana ireo roa tafavoaka ny fonja. Tonga nanampy ireo Mpandraharahan'ny fonja ny Polisy. Maty voatifitra ny iray, azo sambobelona tao Anjoma ny faharoa, ny fahatelo kosa noraisim-potsiny tao anaty fonja tsy tafanika tamboho.

Araka ny fanazavan’ny lehiben’ny fonja hatrany dia isan’ireo jiolahy nametaveta sy nanafika an-dry maseran’ny sekoly Notre Dame de Lourdes ny 12 oktobra 2014 i Jaovelo, ilay maty voatifitra, ary efa nomelohin’ny Fitsarana misahana ny ady heloka Toamasina higadra mandram-pahafatiny ny 15 oktobra 2015.

I Faliantsoa Jean Baptiste indray dia vao niditra ny fonja vonjimaika ny 19 janoary teo, ary i Rasamimanana Prospère natao tohatra fiakarana dia nanomboka ny 20 janoary teo ihany koa no nidirany am-ponja vonjimaika ary samy resaka fanafihana mitam-piadiana avokoa no anenjehana azy ireo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa