Andrianantenaina Amédé : Fiainan’izy mianakavy ny karaté

  • dimanche, 08 janvier 2017 16:32
  • Britto
  • Sary nomena Sobika

Toy ny rà mikoriana ao anatin’i Andrianantenaina Amédé ny karaté. Efa io no fiainany, na polisy aza no anton-draharahany.

Teo amin’ny faha-17 taona i Amédé no nanomboka nanao karaté tao amin’ny Club Vika (Vital Karaté Do) tao Besorohitra Fianarantsoa.

Mpiara-mikatroka taminy tao amin’io klioba io ny vady andefomandriny.

I Amédé no lasa lavitra sy tena nandalina kokoa ary efa nivoaka tany ivelany matetika tamin’io taranja karaté io fa ny vadiny kosa noho ny fiovaovan'ny fiainana dia manapatapaka fanazarantena. Iray ny zanak’izy ireo dia i Amed Dylan.

Vao roa taona monja i Dylan dia efa nentin’i Amédé manaraka azy any ampanaovana fanazarantena ary nony feno telo taona sy tapany dia nampianariny ny fototra karaté toy ny ankizy rehetra.

Valo taona i Dylan ankehitriny. Efa tompondaka tamin’ny « Chalenge » tany Fianarantsoa izy ny taona 2015 teo amin’ny sokajy « Poussin ». Tompondakan'ny « Coupe de nouvel An » FIHEZAMA 2016 natao teto Antananarivo ihany koa i Dylan teo amin’ny sokajy « Poussin » latsaky ny 25 kg.

Tompondaka lefitra ihany koa i Dylan tamin’ny Festival Jerijery izay natao tany Vavatenina ny taona 2015.

38 taona i Andrianantenaina Amédé amin’izao. Tempana mainty « 3ème dan » izy. Polisy eny amin’ny FIP Antanimora izy ary izy ihany koa no anisany nitsirian'ny hevitra hanangana ny Cospn karaté, raha mpiandry tsatokazon’ny Cospn Foot izy teo aloha.

Maro ny anaram-boninahitra eo ampelan-tanany. Tompondakan’i Madagasikara 2015, tamin’ny fifaninanam-pirenena natao tany Vavatenina.

Nandray anjara tamin’ny fiadiana ny tompondakan’ny Ranomasina indianina natao tatsy amin’ny nosy La Réunion tamin’ny 2015 sy tatsy Maurice tamin’ny septambra 2016.

Antenaina fa tsy hijanona hatreo ny fiakaran'ity tanora ity fa ho reharehan'ny Firenena Malagasy hatrany ivelany mihitsy raha misy ny fanohanana azy amin'izany.

 

Commentaires (15)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa