Toamasina : Fokontany maromaro tsy nisy jiro

  • samedi, 31 décembre 2016 21:15
  • Britto
  • Sary Sobika Toamasina

Fokontany maromaro teto Toamasina, niainga tao Ampasimazava, hatrany Cité Canada sy fokontany sasany tao amin’ny Dépôt ary tonga tany amin’ny Fokontany Androranga sy Manangareza, no tsy nanana herinaratra nanomboka androany sabotsy 31 desambra tokony ho tamin’ny 10 ora maraina.

Nodomin’ny kamiao ny andrinjiro iray mitondra herinaratra teo Anjoma mamatsy ireo tanàna ireo.

Nametraka fitoriana teo anivon’ny polisy ny talen’ny Jirama Toamasina, Veloson Léonard. Nambarany fa dia “fahavalom-bahoaka ny tahaka izao”. Atoa Veloson Léonard rahateo efa nanome toky fa tsy hisy ny fahatapahan’ny herinaratra hiatrehan’ny olona ny Asaramanitra.

Androany ihany dia nanao ny ezaka namerenana ny herinaratra tamin’ireo Fokontany ireo ny Jirama.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa