La voix d'or : I Tendry no ho any Disney Land Paris

  • lundi, 26 décembre 2016 13:00
  • Super User
  • Sary Njaka

Nobatain’i Tendry ny amboara tamin’ny fifaninanan-kira izay nokarakarain’ny VIVA ity. Izany moa dia notontosaina teny amin’ny Arena Viva Ivandry.

Nampiaiky ny mpitsara sy nanahirana azy ireo tamin'ny fifantenana ny fahaizan'ireto mpifaninana tafakatra tamin'ny famaranana. 6 mirahavavy moa izy ireo no sisa tavela tamin'ireo ankizy 500 izay nisoratra anarana.

Marihina moa fa samy nahazo ny loka sahaza azy avy izy 6 mirahavavavy ireto ka ny loka ho an’i Tendry, izay nahazo ny voalohany, dia fandeanana makany Paris any amin’ireny toerana famokarana horonan-tsary miaina malaza ireny na Disney Land Paris, manaraka izany ireo loka maro dia maro natolotra ho azy ireo.

Marihina manokana ny fahatongavan’i Mialy Rajoelina, vadin’ny filohan’ny tetezamita teo aloha, tamin'ity dingana famaranana ity.

Commentaires (2)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa