A la Une

    • jeudi, 21 septembre 2017 11:10
    • Britto
    • Sary nomena

    Herisetra sy vono olona : Nametraka fitoriana ireo mpanjono tany “Juan de Nova”

    Tamin’ny alatsinainy 18 septambra 2017 dia nametraka fitoriana tamin’ny Lehiben’ny Fampanoavana eo anivon’ny Tribonaly Ambaratonga Voalohany Mahajanga ny Fikambanan’ny « Mpanarato Miray Ambalambalamanga » Antanimasaja, izay mijoro ara-dalàna ara-panjakana noho ny heloka bevava nataon’ireo miaramila avy amin’ny Tafika an-dranomasina frantsay tamin’ireo mpanjono malagasy izay maty tany an-dranomasina niharan’ny herisetra, vono olona niniana natao, tsy firaharahiana. Nanomboka tamin’ny 29 mars 2014 ka hatramin’izao no mitranga izany fanomoana ireo mpanjono malagasy tratra manjono manodidina ny nosy malagasy Juan de Nova, izay 100 km mahery ny morontsiraka Ambalambalamanga ary 75km monja ny morontsiraka avy eo Maintirano. Tsy vitan’ny midaroka ireo miaramila frantsay ireo fa nalainy koa ny fitaovan’ny mpanjono malagasy, nariany any anaty ranomasina ny moteran’ny lakana, ny sakafo. Nisy ny mpanjono maty tany an-dranomasina.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 20 septembre 2017 10:57
    • Tigre
    • Sary Njaka

    Antananarivo Renivohitra: Mitokona tsy manaiky ny OMAVET ny Taxi

    Nitokona tsy manaiky ny fisian’ny OMAVET ireo fiara karetsaka teto andrenivohitra omaly talata 19 septambra, izay nitandahatra avy any Soanierana nakeny amin’ny lapan’ny Tanàna. Ireto Taxi ireto moa dia tsy manaiky hatramin’ny farany ity OMAVET ity, izay natao hanao contre visite ny fitsarana fiara efa vitan'ny Visite technique. Maninona hoy izy ireo no atao fitaovana hitadiavam-bola sy endrika hanalana ireo fiarakaretsaka miasa, fiara efa voatsara ve no mbola averina tsaraina indray? Raha tsy atokisana ny Visite technique, nahoana no tsy fohanana hoy hatrany ireto mpitondra Taxi ireto. Tsy eken'izy ireo ihany koa no hibaby iny lanterne lehibe iny izay misy dokam-barotra, nefa izy ireo tsy mahazo vola sy tombony amin'izany, nefa terena izy ireo hanisy fiantohana na assurance amin'ilay Lanterne, ary manolo izay manimba na very. Misy hatrany anefa ireo mpitondra fiara karetsaka izay manohy ny asany andavanandro.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 19 septembre 2017 22:10
    • Britto
    • Sary Sobika Mahajanga

    SECES: Voafidy indray hitantana ny sendika i Dr Ralambomanana Dimby

    Dr Ralambomanana Dimby hatrany no lany ho filoha hitantana ny SECES, hiasa mandritra ny taom-piasana manaraka, izay haharitra telo taona. Izy no mbola nanankinan’ny mpizaika nandritra ny kongresy nasionalin’ny SECES teto Mahajanga, nifarana androany rehefa naharitra roa andro, ny 18 sy 19 septambra 2017. Fehin-kevitra 3 lehibe no nivoitra tamin’izany. Teboka iray lehibe ny fanamafisana ny fitakiana mifanandrify amin'ny zo sy hasin'ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpikaroka mpampianatra. Voarakitra anatin'izany ny fanatanterahana ny tambikarama roa (résidence sy logement ) voafaritry ny didim-panjakana 2009-1214 tokony hihatra manomboka ny volana Janoary 2018. Eo ihany koa ny fampiharana ny didim-panjakana 2009-1215 ny amin'ny tambim-pikarohana ho an'ireo tokony hisitraka izany.
    Lire la suite ...
    • lundi, 18 septembre 2017 22:18
    • Tigre
    • Photos Fournies HJRA

    HJRA: Mitia et Fitia en bonne santé

    Après l'opération lourde de séparation des siamoises le 13 septembre dernier à l'hôpital HJRA, les deux petites filles se portent bien. Mitia et Fitia partageaient le cordon ombilical, et elles étaient collées au ventre. Les équipes de chirurgiens et médecins ont tenu ce jour une conférence de presse rapportant les détails de l'opération réussie avec une équipe entièrement malagasy.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 17 septembre 2017 16:24
    • Britto
    • Sary Sobika Fianarantsoa

    Matsiatra Ambony: Tapaka ny tetezana eo Akidomby-Vohiposa RN7

    Tamin'ny 11ora 20 no nitranga ny lozam-pifamoivoizana. Efa mandray ny andrikiny ireo Fokonolona amin'ny fanamboarana fivilian-dalana amin'izao fotoana izao. Hatramin'izao ora fampitam-baovao izao dia ireo fiara tsy mataho-dalana na 4x4 ihany no fantatra fa tafita an'io "déviation" io. Raha ny fanampim-panazavana nentin'ny mpitandro filaminana nanao ny fizahana ifotony dia tsy tokony hihoatra ny 30 taonina ny vesatra mandalo amin'io tetezana io. Hisy fiantraikany amin'ny famatsiana solika iny tapany atsimon'ny Nosy iny ny fahasimban'ity tetezam-by ity, vokatry ny fahasimban'ny Port Manakara mantsy dia taterina amin'ny kamiao avy any Toamasina ny solika mamatsy an'i Fianarantsoa.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 13 septembre 2017 19:37
    • Britto
    • Photos Fournies, attention aux photos

    HJRA Ampefiloha: Deux jumelles siamoises séparées avec succès

    Fitia et Mitia sont reliées par le ventre. La séparation de jumeaux siamois est une opération très complexe mais nos chirurgiens malagasy ont réussi à les séparer sans difficultés majeures. Pour ce cas, l’intervention s’est focalisée sur la séparation des foies des deux jumelles siamoises. L’opération s’est déroulée presque toute la matinée de ce mercredi 13 septembre à l’Hôpital Joseph Ravoahangy Andrianavalona Ampefiloha-Antananarivo. Les deux jumelles siamoises sont nées à Antsirabe. Elles ont cinq mois. Désormais, Fitia et Mitia sont deux personnes distinctes, mais elles doivent être suivies durant de longues années.  
    Lire la suite ...
    • samedi, 09 septembre 2017 16:30
    • Britto
    • Sary Sobika Antsohihy

    Vono olona: Misazy 10 taona an-tranomaizina i Arif Djo

    Tontosa ny zoma 08 septambra teto Antsohihy ny fitsarana an'i Arif Djo, ilay karana voampanga ho namono nahafaty ny vady an-defomandriny Sahouna Salim Mamod, ny 31 desambra 2016. Nanomboka tamin'ny folo ora maraina ny raharaham--pitsarana ary tsy vita raha tsy tamin'ny valo ora alina. Nilatsaka ny didy manasazy azy, folo taona an-tranomaizina, dimy taona tsy mandia faritra miampy onitra 25 tapitrisa Ariary. Vono sy ratra niniana natao, nitarika ny fahafatesam-badiny no vesatra nanenjehana an'i Arif Djo, izay rahalina mpanolontsaina minisitra iray HVM. Narahin'ny olona maro teto Antsohihy ity raharaham-pitsarana ity.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 07 septembre 2017 19:44
    • Britto
    • Sary Sobika Mahajanga

    Fasam-bahiny La Corniche-Mahajanga: Vata-paty nodorana saika nitera-doza

    Nisy fianakaviana naka razana hafindra any amin'ny fasan-drazan'izy ireo teny amin'ny fasam-bahiny La Corniche ny tolakandro teo. Araka ny fomba amam-panao, tsy maintsy dorana ny vata-paty avy nisy ny razana nilevenany tao, ary soloina vaovao hitondrana azy entina hafindra.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 06 septembre 2017 15:01
    • Britto
    • Sary Sobika Mahajanga

    Village touristique: Tovolahy natelin’ny ranomasina

    Zazalahy 15 taona no naletiky ny ranomasina io atoandro io teny amin’ny Village Touristique Mahajanga. Mpiala sasatra avy any Antananarivo izy io ary hamonjy lalao baolina kitra “Tournoi Danji” no nahatongavany aty Mahajanga. Fito mirahalahy izy ireo no niaraka nilomano ka ny iray mbola tadiavina ao anaty ranomasina amin’izao fotoana izao.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 03 septembre 2017 12:15
    • Britto
    • Sary Sobika Fianarantsoa

    Lozam-pifamoivoizana tao Mahaziny RN2: Natao batemy dia taitra i Fifaliana kely

    Tsy nahatsiaro tena intsony i Fifaliana, zazalahy kely 6 taona voadonan'ny fiara mpitatitra iray avy any Toamasina omaly sabotsy tolakandro.
    Lire la suite ...
Page 3 sur 58
B1 - Polyclinique
B2 - Toa